<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>625</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mpamonjy soa malala ô !
 Mba miandrandra Anao
 Ny foko sy fanahiko
 Ankehitriny izao ;
 Fa Hianao irery
 No tena Mpanome
 Ny fahafinaretana
 Sy fitsaharam-be.

[V2]
 Mpiandry ondry mora ô !
 Ry Jeso be fitia !
 Hazony aho ondrinao
 Mba tsy haniasia ;
 Andraso isan-andro,
 Arovinao anie,
 Endrey fa mahatahotra
 Ny biby marobe.

[V3]
 Ry Kristy be fitia !
 Ry Tompo tsy mandao !
 Ny sandrinao iondanako
 Fa mamy Hianao ;
 Hianao nanolo-tena
 Ho faty fahizay,
 Hanangana olo-meloka
 Ho zanakao indray.

[V4]
 Ry Tompo Zanahary
 Be faharetam-po !
 Izaho te-ho olonao
 Mahitsy sy madio ;
 Ovay ny toe-tsaiko,
 Ny foko mba sasao,
 Mba ho tempoly mendrika
 Ny hitoeranao.

[V5]
 Ry Jeso tsy miova !
 Ry Vonivatoko !
 Ry Zanak'Andriamanitra ô !
 Ry Aro lehibe !
 Izaho dia matoky
 Ny fitiavanao ;
 Fa sambatra ny olonao
 Miankina Aminao.</lyrics>
<title>Mpamonjy soa malala o FFPM625</title>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>